Trandremo

Sasamaso

Continúa después del anuncio

Mandady romota ireo trambolahy
Misalotra ny faniaman'ireo vazaha mpanjanaka
Mody manao asa soa mampiasa vola be soa etsy sy eroa
Nefa hanandevo sy handroba ny haren'ireo taranaka

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Tsy renao ve mito ndra kolontsaina ratsy ireo jiolahy?
Miadam-pandeha, mampitondra enta-mavesatra
Jereo! Mametaveta ireo taranaka
Fa loza hoan'ireo izay manaiky ho resin'ireo tsy vanona!

Continúa después del anuncio

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Tranon-kala e! Hatrany ampaladia
Trano be faharatsiana ny trano be izay nihaviana
Korotam-peo, karazana teny tsy fantatra
Entiny manababo an'ireo kely salosana

Aza ravaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Aza simbaina re ny tany e
Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana

Información de la canción

Composición:

¿Los datos están equivocados?

Enviar revisão

Canciones relacionadas